
Raha vao manomboka manao varotra Forex ianao, dia manan-danja mitovy amin'ny fahafantarana izay hanaovana varotra ny fahafantarana ny fotoana hanaovana varotra. Tsy tahaka ny tsenan'ny Stocks izay manaraka fandaharam-potoana hentitra ny Forex, fa miasa 24 ora isan'andro, manomboka ny Alatsinainy ka hatramin'ny Zoma. Saingy tsy mitovy avokoa ny ora rehetra. Misy ora sasany manome fahafahana maro kokoa noho ny hafa.
Alaivo sary an-tsaina ho toy ny hazakazaka mifampitohy maneran-tany ny tsena, izay mikoriana avy amin'ny foibe ara-bola iray mankany amin'ny manaraka. Arakaraka ny fihodin'ny tany no ifampitohizan'ny fanilo amin'ny varotra avy amin'ny foibe ara-bola lehibe iray mankany amin'ny manaraka. Manomboka any Sydney izany, mifindra any Tokyo, avy eo mizotra mankany London, ary mifarana any New York. Mitondra fihetsehana manokana eo amin'ny tsena ny fizaram-potoana tsirairay.
Ireo fizaram-potoana efatra lehibe amin'ny varotra Forex:
Fizaram-potoanan'i Sydney (21:00–06:00 (GMT))
Eto no manomboka ny hetsika! Ny Dolaran'i Aostralia sy Zelandy Vaovao no misongadina amin'izany. Matetika dia tony kokoa ity fizaram-potoana ity, tahaka ny fitoniana mialoha ny tafiotra.
Fizaram-potoanan'i Tokyo (00:00–09:00 (GMT))
Mifoha ireo tsena aziatika, ary ny yen japoney no misongadina indrindra. Mihetsika amin'ny hafainganam-pandeha antonony ity fizaram-potoana ity, ka ahafahan'ireo mpanao varotra mamantatra ny fironana mialoha ny hidiran'ireo fizaram-potoana mahery vaika kokoa ao London sy New York.
Fizaram-potoanan'i London (07:00–16:00 (GMT))
Mitondra hetsika mavitrika be i London, miaraka amin'ny fihetsehana mahery vaika ataon'ny euro sy ny pound britanika. Fotoana tena tsara indrindra ho an'ny varotra Forex ity: fiovaovana avo lenta, fahafahana lehibe ary hetsika maro.
Fizaram-potoanan'i New York (12:00–21:00 (GMT))
Ny dolara amerikana no misongadina, ary mihamahery vaika kokoa ny tsena, indrindra rehefa mifanindry amin'ny an'i London izany. Manolotra fiovaovana sy habetsahan'ny varotra avo lenta ity fizaram-potoana ity.
Ny tombony miavaka azo avy amin'ireo fizaram-potoana mifanindry
Mitranga ny sasany amin'ireo fahafahana tsara indrindra hanaovana varotra rehefa mifanindry ny fizaram-potoana roa, izay miteraka fiakaran'ny habetsahan'ny varotra sy ny fiovaovana. Indreto ireo vanim-potoana izay matetika miteraka fiovaovana sy fahafaha-manakalo vola ambony kokoa.
- Fifanindrian'i London sy New York (12:00–16:00 (GMT)):
Io no fizaram-potoana be mpampiasa sy be mpanao varotra indrindra, indrindra ho an'ireo mpivady vola tahaka ny GBP/USD. Mavitrika ireo mpandray anjara lehibe, ary mety hahery vaika be ny fiovaovan'ny vidiny.
- Fifanindrian'i Tokyo sy London (07:00–09:00 (GMT)):
Kely kokoa ny fiovaovana raha oharina amin'ny fifanindrian'i London/New York saingy mbola manolotra fahafahana tsara hanaovana varotra ihany.
Soso-kevitra: Manaraka ny ora GMT ireo fizaram-potoana ireo, koa ampifanaraho amin'ny faritr'ora misy anao izany. Misy fitaovana maro an-tserasera hanampy anao hampifanaraka ny fotoananao amin'ny tsena.
Ny antony maha zava-dehibe ny ora hanaovana varotra
- Tadiavo ny fotoana tsara indrindra hanaovana varotra: Mitady fiovaovana ve ianao? Manaova varotra mandritra ny fizaram-potoanan'i London na New York. Aleonao ve ny hafainganam-pandeha tony kokoa? Andramo i Sydney na i Tokyo.
- Fantaro ny fihetsiky ny tsena: Samy manana ny toetrany manokana ny fizaram-potoana tsirairay. Matetika dia azo vinavinaina kokoa ny fizaram-potoanan'i Tokyo, raha mety hiovaova sy ho mavitrika kokoa kosa ny fizaram-potoanan'i New York.
- Alamino ny paikadinao: Mety hahomby indrindra ao Tokyo ny Scalping, raha mety hisongadina mandritra ny fizaram-potoanan'i London kosa ireo paikady manaraka fironana.
Ankehitriny rehefa fantatrao ny fitempon'ny tsenan'ny Forex, dia afaka mandamina ny fizaram-potoana hanaovanao varotra ianao mba hahazoana ireo fahafahana tsara indrindra. Tsarovy fa tsy miankina amin'ny fotoana anaovanao varotra ihany izany.
Tsy miankina amin'ny fifidianana fotoana fotsiny ny fahombiazana. Miankina amin'ny fanatanterahana ny drafinao amim-pifehezana ihany koa izany. Safidio ireo fizaram-potoana mifanaraka amin'ny fombanao, fehezo ny risika, ary manaova varotra hatrany araka ny drafitra napetraka.
Hiditra ao amin'ny Deriv Academy mba hanatsarana ny fahaizanao manao varotra anio!
Quiz
Fotoam-pivarotana Forex inona no maresaka sy be fifanakalozana indrindra?

