
Efa voafehinao ny fototry ny varotra Forex, saingy indro misy fanontaniana: inona no mitranga rehefa avelanao hisokatra mandritra ny alina ny varotra iray? Miodina andro aman'alina ny Market Forex; na dia rehefa tsy manao varotra aza ianao.
Eto indrindra no miditra an-tsehatra ny swaps.
Inona moa ny swaps?
Hevero ho toy ny fandoavana zana-bola eo amin'ny tontolon'ny Forex ny swaps. Rehefa manao varotra mpivady vola ianao, dia mindrana vola iray hividianana vola iray hafa raha ny tena izy. Ary tahaka ny fampindramam-bola rehetra, dia misy zana-bola tafiditra amin'izany. Arakaraka ny varotra ataonao, dia mety hampitombo ny tombony azonao na hampihena izany mandritra ny alina ny swaps.
Fahazoana sy fandoavana swaps
Miankina amin'ny antony lehibe vitsivitsy ny hahazoanao na handoavanao zana-bola (swaps):
- Tahan'ny zana-bola: Manana tahan'ny zana-bola faritan'ny banky foibe ao amin'ny fireneny avy ny vola tsirairay. Arakaraka ny maha lehibe ny elanelana no mampitombo ny fiantraikany amin'ny swaps.
- Ny toeran'ny varotrao: Raha mividy vola manana tahan'ny zana-bola ambony kokoa noho ilay amidinao ianao, dia mety hahazo zana-bola. Saingy raha eo amin'ny lafiny mifanohitra amin'ny elanelan'ny taha kosa ianao, dia mety handoa zana-bola indray.
Ohatra: Ny fomba fiasan'ny swaps amin'ny EUR/USD
Alaivo sary an-tsaina hoe manao varotra ny Euro (EUR) manoloana ny US Dollar (USD) ianao:
- Tranga 1: Ambony kokoa ny tahan'ny zana-bolan'ny Euro
- Mividy EUR/USD: Mindrana USD (zana-bola ambany) ianao mba hividianana EUR (zana-bola ambony). Mety hahazo zana-bola ianao mandritra ny alina.
- Mivarotra EUR/USD: Mindrana EUR (zana-bola ambony) ianao ary mitazona USD (zana-bola ambany). Azo inoana fa handoa zana-bola ianao.
- Tranga 2: Ambony kokoa ny tahan'ny zana-bolan'ny US Dollar
- Mividy EUR/USD: Mindrana ny USD izay manana zana-bola ambony ianao mba hividianana ny EUR izay manana zana-bola ambany. Azo inoana fa handoa zana-bola ianao.
- Mivarotra EUR/USD: Mindrana euro (zana-bola ambany) ianao ary mitazona dolara (zana-bola ambony). Mety hahazo zana-bola ianao mandritra ny alina.
Ohatrinona ny saran'ny swap?
Tsy dia goavana isaky ny varotra ny saran'ny swap na ny vola azo avy aminy, saingy mety hitombo izany rehefa mandeha ny fotoana. Miankina amin'ireto manaraka ireto ny sandany marina:
- Ny elanelan'ny tahan'ny zana-bola eo amin'ireo vola roa.
- Ny haben'ny varotrao (midika ho swaps lehibe kokoa ny varotra lehibe kokoa).
Ny faharetan'ny fitazonanao ny toeran'ny varotrao (arakaraka ny maharitra kokoa ny fitazonanao azy no mampitombo ny fiantraikan'ny swaps).
Paikady mahomby momba ny swap
Tianao hiasa ho tombontsoanao ve ny swaps fa tsy hifanohitra aminao? Toy izao ny fomba hanaovana izany:
- Safidio tsara ireo mpivady vola. Omeo vahana ireo mpivady vola izay manome tombony ho anao ny elanelan'ny tahan'ny zana-bola.
- Araho hatrany ny politikan'ny banky foibe. Miovaova ny tahan'ny zana-bola, koa araho maso ireo vaovao mety hisy fiantraikany amin'ny swaps.
- Diniho ny paikady carry trade. Misafidy varotra manokana mihitsy ny mpanao varotra sasany mba hahazoana tombony amin'ny swaps rehefa mandeha ny fotoana.
Ampahany mahazatra amin'ny varotra Forex ny swaps. Saingy raha takatrao tsara izy ireny, dia azonao ampiasaina ho tombontsoanao. Miaraka amin'ny paikady mety, dia afaka manampy amin'ny fahazoana tombony mandritra ny alina ny swaps.
Te hianatra bebe kokoa ve ianao? Mankanesa ao amin'ny Deriv Academy hahitana fampianarana lalina momba ny Forex, na andramo amin'ny kaonty demo ny paikadinao alohan'ny hanaovana varotra tena izy.
Quiz
Toe-javatra inona no mety hahazoanao zanabola mandritra ny alina?


