
Niroborobo fatratra ny fanaovana varotra an-tserasera tato anatin'ny taona vitsivitsy, ka lasa mora kokoa noho ny hatramin'izay ny miditra amin'izany ho an'ny rehetra. Saingy tsy midika akory ny fahamoran'ny fidirana aminy fa tokony hiditra am-pahamaikana tsy misy drafitra mazava ianao. Misy risika tena izy ny fanaovana varotra paikady fitantanana risika, ary miomana hatrany alohan'ny hanaovana dingana ireo mpanao varotra marani-tsaina.
Koa raha vao manomboka ianao, ahoana no hanaovanao varotra amim-pahendrena? Indreto misy fitsipika volamena telo hanampy anao hanomboka amin'ny fomba tsara.
1. Manaova fikarohana lalina momba ireo mpanelanelana sy ny Market
Alohan'ny hieritreretanao hanao varotra akory aza, dia misy zavatra roa mila ataonao tsara: ny fisafidianana ny mpanelanelana mety sy ny fahatakarana ireo Market.
Fisafidianana ny mpanelanelana mety fisafidianana ny sehatra fanaovana varotra mety
Tsy mitovy avokoa ny mpanelanelana rehetra, koa makà fotoana ary mitadiava izay mifanaraka amin'ny filanao. Mitadiava:
- Laza tsara sy azo antoka (mamakia fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpampiasa voamarina na vondrom-piarahamonin'ny mpanao varotra)
- Sehatra mora ampiasaina izay mety ho an'ny vao manomboka sy ny matihanina
- Karazana fananana maro azo anaovana varotra, mba hanananao safidy hampizarazarana izany
- Fahazoan-dalana sy fifehezana ara-dalàna mba hiantohana fa voaro ny volanao
Mahafeno ireo fepetra rehetra ireo, ohatra, ny Deriv. Manolotra sehatra fanaovana varotra mora ampiasaina, safidy fananana maro samihafa, ary fiarovana avo lenta izy.
Fisafidianana ny fananana voalohany hanaovanao varotra
Rehefa nahita mpanelanelana ianao, ny dingana manaraka dia ny fanapahan-kevitra momba izay hanaovana varotra. Forex? Stocks? Vola crypto? Commodities? Samy manana ny risika sy ny tombony azo avy aminy ny Market tsirairay. Ny fikarohana no namanao akaiky indrindra eto. Mianara momba ny fironan'ny vidiny, ny fiantraikany ara-toekarena, ary ny fihetsiky ny fananana samihafa.
Raha toa ka mavesatra loatra aminao izany rehetra izany, dia azonao atao ny manomboka amin'ny Synthetic Indices ao amin'ny Deriv. Maka tahaka ny fihetsiky ny Market tena izy ireo fananana ireo saingy tsy voakasiky ny vaovao avy any ivelany. Azo anaovana varotra 24/7 izy ireo. Na dia amin'ny faran'ny herinandro sy ny andro tsy fiasana aza, ka manome fahafahana malalaka kokoa ho anao.
2. Manaova fanazarana aloha amin'ny kaonty demo
Tsy hitondra fiara mihitsy ianao raha tsy nianatra kely aloha, sa tsy izany? Toy izany koa ny fanaovana varotra.
Alohan'ny hanaovana varotra amin'ny vola tena izy, dia ataovy izay hahazatra anao amin'ny fomba fiasan'ny varotra amin'ny alalan'ny kaonty demo. Manolotra kaonty demo misy vola virtoaly ny ankamaroan'ny mpanelanelana (ao anatin'izany ny Deriv), mba hahafahanao mitsapa paikady sy mianatra ny fototra tsy misy risika ara-bola.
Manome anao vola virtoaly 10.000 USD ny kaonty fanaovana varotra demo ao amin'ny Deriv, izay ahafahanao mikaroka paikady fanaovana varotra samihafa tsy misy risika. Ny tena tsara indrindra? Miasa tahaka ny kaonty fanaovana varotra tena izy mihitsy izy io, ka rehefa vonona hanao varotra amin'ny vola tena izy ianao, dia tsy hahatsiaro tena ho vaovao tanteraka.
3. Ankafizo ny dingana lalovana ary manàna faharetana
Tsy hazakazaka fohy ezaka ny fanaovana varotra, fa hazakazaka lavitra ezaka. Tsy tonga teo amin'ny toerana misy azy tao anatin'ny indray alina akory ireo mpanao varotra mahay indrindra. Nanangana fahaiza-manao tsikelikely nandritra ny fotoana izy ireo, nanao fahadisoana, nianatra avy tamin'izany, ary nanatsara ny paikadiny.
Indreto misy fahazarana fototra ananan'ireo mpanao varotra marani-tsaina:
- Faharetana. Aza maika hiditra amin'ny varotra noho ny fahataitairana fotsiny. Andraso ny fepetra matanjaka mifanaraka amin'ny drafitrao.
- Fifehezan-tena. Mifikira amin'ny paikadinao fanaovana varotra ary halaviro ny fanapahan-kevitra entin'ny fihetseham-po.
- Fanantenana mifanaraka amin'ny zava-misy. Tsy mitranga isan'andro ny tombony goavana, ary anisan'ny zavatra tsy maintsy lalovana ny fatiantoka.
Te hivoatra haingana kokoa ve ianao? Mianara avy amin'ireo matihanina! Jereo ny Toetra 7 ananan'ireo mpanao varotra ara-bola mahomby nosoratan'i Vince Stanzione mba hahazoana fahalalana lalina avy amin'ireo mpanao varotra za-draharaha.
Quiz
Inona no fomba tsara indrindra hanombohana manao varotra?


