
Mety hiteraka fihetseham-po ny fanaovana fifanakalozana, ary ara-dalàna izany. Mety ho toy ny fitaovam-pilalaovana miakatra sy midina tampoka amin'ny fihetseham-po ny fanaovana fifanakalozana. Ny fientanentanana amin'ny tombony lehibe, ny fahasorenana vokatry ny fatiantoka, ary ny faniriana mafy hanenjika ilay fahafahana manaraka. Ao anatin'ny tontolon'ny fifanakalozana avokoa izany rehetra izany. Saingy raha misy zavatra iray fantatry ny mpanao fifanakalozana efa za-draharaha, dia ny hoe mety ho fahavalonao ratsy indrindra ny fihetseham-po.
Tsy vitan'ny hoe tsara ananana fotsiny ny fitoniana sy ny fifehezan-tena. Tena ilaina amin'ny fahombiazana maharitra izany. Ny famelana ny fihetseham-po hifehy anao dia mety hitarika ho amin'ny fanapahan-kevitra maimaika, risika lehibe kokoa ary, indrisy, fatiantoka lehibe kokoa. Koa andao hiresaka momba ny antony maha zava-dehibe ny fifehezana ny fihetseham-ponao sy ny fomba ahafahanao manao izany.
Atsaharo mialoha ny fanaovana fifanakalozana tafahoatra
Efa tsapanao ve ilay faniriana mafy hanohy hanao fifanakalozana hatrany, na dia fantatrao aza fa tokony hiato kely ianao? Izany no atao hoe fanaovana fifanakalozana tafahoatra. Mitranga izany rehefa manao fifanakalozana be loatra na mametraka renivola be loatra amin'ny pozisiona iray ny mpanao fifanakalozana. Ary fantatrao ve? Saika vokatry ny fihetseham-po hatrany izany, na fiezahana hanarina fatiantoka na fientanentanana noho ny fahazoana tombony misesy.
Mety hamitaka anao koa ny zava-misy eny an-tsena. Rehefa mihetsika haingana ny vidiny, dia mampakam-panahy ny miditra avy hatrany mba hanararaotra ilay fihetsehana. Saingy raha tsy misy drafitra mazava, dia mety handray fanapahan-kevitra tampoka izay hampivily lalana anao sy hampidi-doza anao amin'ny risika tsy ilaina ianao.
Ahoana no hisorohana ny fanaovana fifanakalozana tafahoatra? Mifeheza tena hatrany
- Mifikira amin'ny drafitra fanaovana fifanakalozana. Ny drafitra matotra no mitazona anao ho tony sy hifantoka hatrany.
- Itsinjarao ny fanananao. Aparitaho amin'ny fananana samihafa ny renivolanao fa aza atao anaty harona iray avokoa ny atody rehetra.
- Fehezo ny renivolanao. Izay zakanao ihany raha sanatria very no ampiasao amin'ny fifanakalozana, fa tsy izay antenainao ho azo ho tombony.
Fehezo hatrany ny risika
Ao anatin'ny tontolon'ny fifanakalozana ny risika. Tsy azo ialana izany. Fa ny fihetseham-po kosa? Mety hanosika anao handray risika mihoatra lavitra noho izay tokony ho izy izany.
Raiso ho ohatra ny tsena miakatra. Miakatra ny vidiny, ary manomboka manahy ny mpanao fifanakalozana sao taraiky. Mety hahatonga ny olona hiditra maimaika amin'ny fifanakalozana tsy amim-piheverana ny Fear of missing out (FOMO). Avy eo dia miditra an-tsehatra ny fitiavam-bola tafahoatra; mihazona pozisiona maharitra loatra izy ireo satria manantena tombony lehibe kokoa aza. Saingy araka ny efa fantatsika rehetra, tsy mandeha araka izay irina foana ny tsena, ary mety hanjavona haingana tahaka ny nahatongavany ihany koa ireny tombony ireny.
Ahoana no hitantanana ny risika sy hialana amin'ny FOMO? Farito ny fomba fanaovanao fifanakalozana
- Manàna paikady mazava. Mitazona anao hifantoka izany ary misakana anao tsy handray fanapahan-kevitra maimaika.
- Manomàna drafitra mialoha. Fantaro tsara mialoha ny fotoana hidiranao sy hivoahanao amin'ny fifanakalozana, alohan'ny hidiran'ny fihetseham-po an-tsehatra.
- Mahaiza mandanjalanja. Miovaova hatrany ny tsena. Tsara ny mifikitra amin'ny drafitra, saingy ny fanarahana fironana an-jambany kosa? Tsy dia tsara loatra.
isorohy ny fifanakalozana valifaty
Andao hiresaka momba ny fifanakalozana valifaty. Ilay fotoana ahazoanao fatiantoka lehibe iny, ka miditra avy hatrany amin'ny fifanakalozana hafa ianao amin'ny fanantenana hamerina ny volanao. Azo takarina ihany izany, saingy mahalana vao mifarana tsara.
Raha tokony handinika indray ny fomba fiasany ireo manao fifanakalozana valifaty, dia miditra avy hatrany tsy misy drafitra mazava. Ary noho izy ireo entin'ny fihetseham-po fa tsy paikady, dia matetika izy ireo no manao fifanakalozana mampidi-doza kokoa aza. Mitarika fatiantoka bebe kokoa sy fahasorenana bebe kokoa ny risika bebe kokoa, ary araka ny efa vinavinainao, fifanakalozana valifaty bebe kokoa indray. Faribolana mampidi-doza sarotra tapahina izany.
Ahoana no hialana amin'ny fifanakalozana valifaty? Ampiasao ny fitaovana fitantanana risika

- Mametraha Stop Loss. Manakatona ho azy ny pozisionanao izany raha mivadika manohitra anao ny tsena, ka miaro anao amin'ny fatiantoka lehibe kokoa.
- Mitazòna diarin'ny fifanakalozana. Manampy anao hianatra avy amin'ny traikefanao sy hanatsara ny paikadinao ny fanaraha-maso ny tombony sy ny fatiantoka azonao.
Hamafiso manomboka anio ny toe-tsainao eo amin'ny fifanakalozana
Mitovy lanja amin'ny famakafakana tabilao na ny fanarahana ny fironan'ny tsena ihany ny fifehezana ny psikolojian'ny fifanakalozana. Raha mahafehy ny fihetseham-ponao ianao, mifikitra amin'ny paikadinao, ary mampiasa amim-pahendrena ny fitaovana fitantanana risika, dia ho tsara toerana kokoa ianao hanatratrarana fahombiazana maharitra.
Koa maninona raha manomboka anio? Mampiasà kaonty fanandramana hizarana manao fifanakalozana marani-tsaina kokoa, na jereo ireo fampianarana maimaim-poana ao amin'ny Deriv Academy hanatsarana ny fahaizanao.
Midira ao amin'ny Deriv Academy amin'ny alalan'ny adiresy mailaka sy ny tenimiafin'ny kaontinao Deriv efa misy mba hanombohana.
Quiz
Inona no fomba tsara indrindra hialana amin'ny revenge trading?


