Fahatakarana ny fiovaovana
Namboarina mba hanehoana ambaratonga samihafa amin'ny fiovaovan'ny tsena ireo Volatility Indices atolotry ny Deriv, izay manome fahafahana ny mpivarotra hampifanaraka ny paikadiny amin'ny fetran'ny mety ho fatiantoka zakany. Ahafahanao maminavina ny fihetsehan'ny vidiny tsy iharan'ny fiantraikan'ny fironan'ny tsena mahazatra ireo fitaovana synthetic ireo, ka mahatonga ny fahatakarana ny fiovaovana ho tena ilaina mba hahombiazana amin'ny fanaovana varotra. Tahaka ny ranomasimbe izay indraindray tony ary indraindray misamboaravoara, dia miovaova ihany koa ny fiovaovan'ny tsena, ka misy fiantraikany amin'ny fihetsehan'ny vidiny sy ny paikady fanaovana varotra izany.
Ny toetran'ny fiovaovana
Foto-kevitra manan-danja eo amin'ny fanaovana varotra ny fiovaovana, izay manondro ny halehiben'ny fiovan'ny vidin'ny fananana iray mandritra ny fotoana. Izy io no refy ahafantarana ny mety ho fiakaran'ny vidin'ny fananana iray na ny fidinany, mitovy amin'ny ranomasimbe izay mety ho onja malefaka hatramin'ny tafio-drivotra mahery vaika. Manampy ny mpivarotra hiomana mialoha amin'ny fihetsehan'ny tsena ny fahatakarana ny fiovaovana, ka ahafahana mitantana tsara kokoa ny mety ho fatiantoka.
Rehefa mandinika ny fombanao manao varotra ianao, dia zava-dehibe ny manombana ny fomba fandraisanao ireo toe-tsena samihafa. Mahazo aina kokoa ve ianao miasa ao anatin'ny tontolo milamina, sa vonona hiatrika ireo fanamby ateraky ny fiovaovana avo lenta? Ahafahanao mampifanaraka ny traikefanao amin'ny fanaovana varotra araka ny fahavononanao manokana hiatrika ny mety ho fatiantoka ireo Volatility Indices an'ny Deriv, miaraka amin'ny safidy mety ho an'ny paikady fanaovana varotra mitandrina sy sahisahy.
Fampitahana ireo Volatility Indices
Manolotra Volatility Indices maromaro ny Deriv, izay samy namboarina mba hanehoana ambaratonga samihafa amin'ny fihetsiky ny vidiny miakatra sy midina. Ohatra, ny Volatility 10 index dia maneho tontolon'ny fanaovana varotra tony kokoa izay misy fihetsehan'ny vidiny kely kokoa (fiovaovana manodidina ny 10 %). Mety kokoa ho an'ireo mpivarotra tia traikefa fanaovana varotra tsy dia misamboaravoara loatra ity tondro ity. Mifanohitra amin'izany kosa, ny Volatility 100 index dia maneho fiovaovana avo kokoa (manodidina ny 100 %), izay manondro fiovaovan'ny vidiny lehibe kokoa mifanaraka amin'ireo mpivarotra vonona hiatrika mety ho fatiantoka bebe kokoa mba hahazoana tombony mety ho lehibe kokoa.
Ankoatra ireo dia misy tondro hafa koa manana ambaratongam-piovaovana samihafa manomboka amin'ny 10 ka hatramin'ny 250 %. Miankina amin'ny fahavononanao manokana hiatrika ny mety ho fatiantoka ny safidy amin'izay Volatility Index hanaovana varotra. Raha ny filaminana sy ny mety ho fatiantoka ambany kokoa no manintona anao, dia mety hifanaraka aminao kokoa ireo tondro manana fiovaovana ambany kokoa. Na izany aza, ho an'ireo izay mahay mifehy ny fiovaovan'ny tsena, ny fanaovana varotra amin'ireo tondro manana fiovaovana avo kokoa dia mety hitondra tombony ambony kokoa, na dia mitombo aza ny mety ho fatiantoka.
Famaranana
Tena zava-dehibe ny fahatakarana ny toetran'ny fiovaovana rehefa manao varotra amin'ireo Volatility Indices an'ny Deriv. Na aleonao mamakivaky rano tony na miatrika ranomasina misamboaravoara, dia manome fahafahana anao hampifanaraka ny paikadinao amin'ny fanaovana varotra araka ny fetran'ny mety ho fatiantoka zakanao ireo tondro ireo. Amin'ny alalan'ny fisafidianana ny tondro mifanentana aminao no ahafahanao mampitombo ny fahafahanao mahazo tombony sady mitantana amim-pahombiazana ny mety ho fatiantoka. Mandrisika anao izahay hijery ireo Volatility Indices ao amin'ny Deriv sy hampifanaraka izany amin'ny fombanao manao varotra, mba hiantohana traikefa fanaovana varotra mahafa-po kokoa.
Quiz
Inona no refesin'ny fiovaovana (volatility) eo amin'ny tsena?
Iza amin'ireo Volatility Index no maneho sehatra fanaovana varotra milamina kokoa?
Ahoana no fiantraikan'ny fiovaovan'ny vidiny avo kokoa amin'ny mety ho tombony sy fatiantoka?


