Hiampita mankany amin'ny votoaty fototra
Lesona
8
Volatility Indices | Vao manomboka

Fisafidianana ny fiovaovana mety

Faharetany
3
minitra

Eo amin'ny sehatry ny fifanakalozana, manondro ny halehiben'ny fiovan'ny vidin'ny fananana iray ao anatin'ny fe-potoana voafaritra ny fiovaovana. Famantarana manan-danja ny fihetsehan'ny tsena izy io sady singa fototra amin'ny fanombanana ny risika. Midika ny fiovaovana avo lenta fa mety hiova be ao anatin'ny fotoana fohy ny vidin'ny fananana iray, ka mety hiteraka tombony na fatiantoka lehibe. Mifanohitra amin'izany kosa, maneho tontolon'ny vidiny milamina kokoa sy fihetsehan'ny vidiny tsy dia mahery vaika loatra ny fiovaovana ambany. Zava-dehibe ny fahatakarana ny fiovaovana mba hahafahana mivezivezy sy manao fifanakalozana amim-pahombiazana eny amin'ny tsena.

Maneho ireo ambaratonga samihafa amin'ny fihetsehan'ny vidiny ireo ny Volatility Indices ary namboarina hifanaraka amin'ny fomba fanaovana fifanakalozana isan-karazany. Hanome fanazavana momba ny toetran'ny Volatility Indices, ireo lafin-javatra tokony hodinihin'ny mpanao fifanakalozana, ary ireo paikady azo ampiharina ho an'ny fifanakalozana mahomby ity lesona ity.
‍

Ireo toetran'ny Volatility Indices

Manolotra Volatility Indices isan-karazany ny Deriv, izay samy voafaritry ny isan-jaton'ny fiovaovany avy ka mamaritra ny fihetsehan'ny vidiny andrasana. Raha mahazo fihetsehan'ny vidiny (Tick) isaky ny 2 segondra ny Volatility indices mahazatra, dia manolotra safidin'ireo tondro manana fiovaovana mitovy amin'izany koa ny Deriv, saingy misy Tick miforona isaky ny segondra. Azonao fantarina amin'ny alalan'ny (1s) voasoratra miaraka amin'ny marika ireo tondro ireo.
Indreto misy ohatra vitsivitsy malaza, miaraka amin'ny fanazavana amin'ny antsipiriany kokoa momba ny ambaratongan'ny fiovaovan'izy ireo:

  • Volatility 10 Index: Miaraka amin'ny fiovaovana 10 %, mety ho an'ny mpanao fifanakalozana mitady filaminana sy fihetsehan'ny vidiny kely kokoa ity tondro ity, ka tena tsara ho an'ireo vao manomboka na ireo izay misafidy tontolon'ny fifanakalozana mora vinavinaina kokoa.
    ‍
  • Volatility 25 Index: Manolotra fihetsehana ambony kely kokoa raha oharina amin'ny 10 Index ny Volatility 25 Index, ka mametraka fifandanjana eo amin'ny risika sy ny tombony azo. Ahafahan'ny mpanao fifanakalozana miaina fihetsehana bebe kokoa izy io nefa mbola mitazona ambaratongam-pilaminana ihany.
    ‍
  • Volatility 100 Index: Manana fiovaovana 100 % ity tondro ity, izay maneho tontolon'ny tsena sarotra vinavinaina kokoa. Manome mety ho tombony ambony izy io, saingy noho ireo risika miaraka aminy dia mety kokoa ho an'ireo mpanao fifanakalozana za-draharaha izay mahafehy paikadin'ny fifanakalozana mahery vaika.
    ‍
  • Volatility 150 Index: Manana fiovaovana faratampony mahatratra 150 % ity tondro ity, ka mety amin'ireo mpanao fifanakalozana mahazo aina ao anatin'ny tontolo haingam-pihetsika sy misy risika kokoa. Na dia manome fahafahana hahazoana tombony lehibe aza izy io, dia miaraka amin'ny mety hisian'ny fatiantoka goavana ihany koa, izay mitaky paikady matanjaka hitantanana ny risika.
    ‍

Fanombanana ny fomba fanaovanao fifanakalozana sy ny fahazakanao risika

Rehefa misafidy Volatility Index iray ianao, dia zava-dehibe ny mandinika ny fomba fanaovanao fifanakalozana manokana sy ny fahazakanao risika:

  • Fahavononana hiatrika risika: Mahazo aina amin'ny fiovaovan'ny vidiny mahery vaika ve ianao, sa aleonao ireo fihetsehana mora vinavinaina kokoa? Hisy fiantraikany lehibe amin'ny safidinao momba ny tondro ny fahavononanao hiatrika risika.
    ‍
  • Traikefa amin'ny fifanakalozana: Mety hahasoa ho an'ireo vao manomboka ny manomboka amin'ireo tondro mampiseho fiovaovana ambany kokoa, toy ny Volatility 10 Index, mba hahazatra azy ireo amin'ny fomba fiasan'ny tsena. Etsy an-danin'izany kosa, mety hitady ireo Volatility 75 na 100 Indices izay mahery vaika kokoa ireo mpanao fifanakalozana efa za-draharaha, mba hikendrena tombony ambony kokoa.
    ‍
  • Toe-tsaina stratejika: Tombano ny fotoana sy ny ezaka izay vonona hatokanao amin'ny fanaraha-maso sy ny famakafakana ireo fifanakalozana. Mety hitaky fifantohana bebe kokoa sy fandraisana fanapahan-kevitra haingana ireo tondro avo fiovaovana, raha toa ka mamela fomba fiasa tony kokoa amin'ny fifanakalozana ireo tondro ambany fiovaovana.
    ‍

Paikadin'ny fifanakalozana azo ampiharina ho an'ny Volatility Indices

Mifanaraka amin'ny paikadin'ny fifanakalozana samihafa ny Volatility Index tsirairay arakaraka ny toetran'ny fiovaovany, saingy indreto misy fomba fanao tsara vitsivitsy ho an'ireo izay mikasa hanao fifanakalozana amin'ny Volatility Indices:

  1. Fampiasana baiko Stop Loss: Ao anatin'ny tsena avo fiovaovana toy ny Volatility 75 na 100, dia fomba fanao tsara ny mampiasa baiko Stop Loss. Manampy amin'ny fampihenana ny mety ho fatiantoka ity fitaovana ity amin'ny alalan'ny fanidiana ho azy ireo fifanakalozana misokatra rehefa mahatratra teboka vidiny voafaritra iray izy ireo.
    ‍
  2. Fanarahana ny fironana: Ho an'ireo tondro toy ny Volatility 50 sy 100, diniho ny fampiharana paikady manaraka ny fironana. Tafiditra ao anatin'izany ny famakafakana ny fihetsehan'ny tsena mba hamantarana ireo fironana sy ny fametrahana fifanakalozana manaraka ny lalan'ireo fironana ireo.
    ‍‍
  3. Fitsinjarana: Afaka manampy amin'ny fitantanana ny risika ny fitsinjarana ny fifanakalozana ataonao amin'ny Volatility Indices maromaro. Ohatra, ny fananana fifanakalozana misokatra amin'ny Volatility 10 Index sy ny Volatility 150 Index miaraka dia ahafahanao mandanjalanja ny risika sady manararaotra ireo ambaratonga samihafa amin'ny fihetsehan'ny tsena.

Quiz

Ahoana no amaritana ny volatility eo amin'ny sehatry ny varotra?

Inona ny toetra mampety ny Volatility 10 Index ho an'ireo mpivarotra mitandrina?

Nahoana no tokony hampiasa baiko Stop Loss ny mpivarotra amin'ny tsena miovaova?

Analyse markets with AI-powered insights

Explore TradersView
WhatsApp