Hiampita mankany amin'ny votoaty fototra
Lesona
7
Derivatives | Vao manomboka

Sehatra fanaovana fifanakalozana DBot

Faharetany
8
minitra


Ao anatin'ny lesona farany amin'ity fampianarana ity dia hijery ny Deriv Bot isika, vahaolana matanjaka tsy mila fanaovana kaody izay ahafahanao mamorona paikady fanaovana fifanakalozana mandeha ho azy amim-pahatsorana sy manararaotra ny fahafahana hanao fifanakalozana 24/7. Amin'ny alalan'ny fampiasana ilay endri-javatra tsotra sarihana sy apetraka antsoina hoe «blocks», dia afaka manangana paikady namboarina manokana mifanaraka amin'ny filany ireo mpanao fifanakalozana amin'ny ambaratonga traikefa rehetra.
‍

Fampidirana momba ny Deriv Bot

Natao ho mora ampiasaina ny Deriv Bot, ka manome tontolo mora takarina ho an'ny mpanao fifanakalozana mba hampandeha ho azy ny paikadiny fanaovana fifanakalozana tsy mila fahaizana manoratra kaody.
‍

Fidirana amin'ny Deriv Bot

Mba hanombohana amin'ny Deriv Bot:

  1. Midira ao amin'ny kaontinao ao amin'ny Trader's Hub an'ny Deriv.
    ‍
  2. Safidio ny «Deriv Bot» amin'ireo safidy misy mba hidirana amin'ny tontolon'ny Bot.

Rehefa tafiditra ao ianao dia hahita safidy maromaro hanombohana ny dianao amin'ny fanaovana fifanakalozana.
‍

Ireo endri-javatra ao amin'ny tontolon'ny Deriv Bot

Raha vao miditra ao amin'ny tontolon'ny Deriv Bot ianao dia hahita safidy fototra efatra:

  • Hampiditra paikady efa misy: Mampiditra paikady avy ao amin'ny «My Computer» na «Google Drive».
    ‍
  • Paikady haingana (Quick Strategy): Ny fomba haingana indrindra hampiodinana bot fanaovana fifanakalozana amin'ny alalan'ny modely paikady efa voafaritra mialoha.
    ‍
  • Mpanamboatra Bot (Bot Builder): Ho an'ireo mpampiasa efa za-draharaha, ahafahana mamorona paikady manokana hatrany am-boalohany ity endri-javatra ity.
    ‍

Paikady haingana (Quick Strategy)

Mizara ny bot fanaovana fifanakalozana tsirairay ho singa fototra roa ny endri-javatra Quick Strategy:

  1. Modely paikady (Strategy Template): Ity no mamaritra ny fomba hanitsian'ny bot anao ny sandan'ny Stake aorian'ny fifanakalozana tsirairay arakaraka ny tombony azo.
    • Anisan'ny ohatra amin'ny modely paikady ireto manaraka ireto:
      • Martingale: Mampitombo avo roa heny ny Stake aorian'ny fatiantoka mba hamerenana ny fandaniana.
        ‍
      • D'Alembert: Manitsy ny Stake arakaraka ny refy efa napetraka, ka mampiakatra izany aorian'ny fatiantoka ary mampihena izany aorian'ny fifanakalozana nahazoana tombony.
        ‍
      • Oscar's Grind: Mifantoka amin'ny fahazoana tombony kely sy mitohy.
        ‍
      • Reverse Martingale: Mampiakatra ny Stake aorian'ny fifanakalozana nahazoana tombony ary mampihena izany aorian'ny fatiantoka mba hampitomboana ny tombony amin'ny fifanakalozana mahomby misesy.
        ‍
      • 1-3-2-6: Manaraka lamina fametrahana Stake raikitra aorian'ny fifanakalozana nahazoana tombony misesy.
  2. Fepetran'ny fifanakalozana (Trade Parameters): Ireo fepetra ireo no mamaritra ny fananana hanaovana fifanakalozana, ny karazana fifanakalozana, ny fepetra fividianana, ny Stake voalohany, ny faharetany, ny fetran'ny tombony ary ny fetran'ny fatiantoka.

Fametrahana ny paikadinao

Rehefa voasafidinao ny modely paikadinao ary fenoinao ireo fepetran'ny fifanakalozana ilaina, dia tsindrio fotsiny ny «Run» mba hampandehanana ny bot anao. Ataovy azo antoka fa manao fanazarana amin'ny kaonty fanazarana aloha ianao amin'izay paikady rehetra ampiasainao mba hanatsarana ny fomba fiasanao sy hanamafisana ny fahatokisan-tenanao.
‍

Fampiasana ny Bot Builder

Ho an'ireo liana hanamboatra bebe kokoa ny paikadiny dia manolotra endri-javatra mandroso kokoa ny Bot Builder:

  • Sehatra fiasana (Canvas): Eto no hisarihanao sy hametrahanao ireo blocks mba hamoronana asa manokana ho an'ny bot anao.
    ‍
  • Lisitry ny Blocks: Voasokajy ho fepetran'ny fifanakalozana, fepetra fividianana, fepetra fivarotana, ary fepetra famerenana ny fifanakalozana. Manana toromarika manokana mitarika ny fomba fiasan'ny bot ny block tsirairay.
    ‍

Ohatra amin'ny asan'ireo Block

  1. Fepetran'ny fifanakalozana: Mamaritra ny Market hanaovana fifanakalozana, ny karazana fifanarahana, ary ny sandan'ny Stake.
    ‍
  2. Fepetra fividianana: Mamaritra ny fotoana tokony hidiran'ny bot amin'ny fifanakalozana mifototra amin'ny mason-tsivana napetrakao.
    ‍
  3. Fepetra fivarotana: Manome toromarika ny amin'ny fomba tokony hiasan'ny bot mandritra ny fotoana mampandeha ny fifanakalozana.
    ‍
  4. Fepetra famerenana ny fifanakalozana: Mametraka izay mitranga aorian'ny fiafaran'ny fifanarahana iray mialoha ny hanombohana iray vaovao.
    ‍

Famaranana

Miaraka amin'ny Deriv Bot dia manana fitaovana matanjaka eo am-pelatananao ianao hamoronana paikady fanaovana fifanakalozana mandeha ho azy izay mifanaraka amin'ny fomba fanaovanao fifanakalozana sy ny safidinao. Amin'ny fampiasana ny Quick Strategy sy ny Bot Builder, dia afaka mametraka fomba fiasa mirindra amin'ny fanaovana fifanakalozana ao anatin'ny sehatra Deriv ianao.

Tsarovy ny manao fanazarana lalina amin'ny kaonty fanazarana mba hahazoanao antoka fa takatrao tsara ny antsipiriany amin'ireo paikady nosafidinao mialoha ny hirosoana amin'ny fifanakalozana tena izy. Ao amin'ny lesona manaraka dia hijery ny fampiharana paikady fanaovana fifanakalozana amin'ireo tolotra synthetic an'ny Deriv amin'ny fampiasana Options isika. Misaotra anao nanatrika ity lesona ity, ary mirary fifanakalozana mahomby ho anao!

Quiz

Inona no tombony lehibe indrindra amin'ny fampiasana ny Deriv Bot?

Inona no tafiditra amin'ny paikady Martingale?

Inona ny endri-javatra ahafahana manamboatra amin'ny fomba avo lenta ny paikady ara-barotra ao amin'ny Deriv Bot?

Analyse markets with AI-powered insights

Explore TradersView
WhatsApp