
Nantsoin'i Albert Einstein hoe «fahagagana fahavalo eto amin'izao tontolo izao» ny zanabola mitambatra fahiny, ary misy antony matoa izany. Ankehitriny, miaraka amin'ny Accumulator Options ao amin'ny Deriv, dia afaka misitraka ny fitomboana mitambatra amin'ny fomba vaovao tanteraka ianao.
Inona no mampiavaka ny Accumulator Options?
Tsy tahaka ireo Options mahazatra izay miankina amin'ny fiakaran'ny Market na ny fidinany, ny Accumulator Options dia mifototra tanteraka amin'ny fitoniana. Toy izay haminavina fiovaovan'ny vidiny lehibe, dia ny hijanonan'ny fihetsiky ny vidiny ao anatin'ny elanelana voafaritra no kendrenao, ka ahafahanao mahazo tombony amin'ny fihetsika marin-toerana.
Toy izao ny fomba fiasany:
- Misafidy tahan'ny fitomboana (hatramin'ny 5 %) ianao, izay mamaritra ny mety ho Payout azonao sy ny elanelam-bidy.

- Raha mbola mijanona ao anatin'io elanelana io ny vidiny, dia mitombo mitambatra isaky ny Tick ny Payout azonao.

- Ianao no manapa-kevitra ny amin'ny faharetan'ny fijanonanao ao anatin'ny varotra (hatramin'ny 230 Tick), ka manome anao fifehezana ny paikadinao izany.
- Raha mivoaka ivelan'ilay elanelana ny vidiny, dia mikatona ho azy ny varotra, ary voafetra amin'ny Stake napetrakao tany am-boalohany ihany ny fatiantokao.
Nahoana no manao varotra Accumulator Options?
- Manaova varotra amin'ny Market marin-toerana. Tsy mila maminavina fiovaovan'ny vidiny lehibe—mahazoa kosa tombony avy amin'ny fitoniana.
- Farito ny elanelanao manokana. Misafidiana tahan'ny fitomboana (hatramin'ny 5 %) izay mamaritra ny mety ho Payout azonao sy ny elanelam-bidy.
- Safidio ny faharetany. Tapaho ny hevitrao momba ny faharetan'ny varotra tianao hatao (hatramin'ny 230 Tick), mba hanomezana anao fahalalahana amin'ny fotoananao sy ny risika atrehanao.
- Fantaro mialoha ny risika atrehanao. Voafetra hatrany amin'ny Stake napetrakao tany am-boalohany ny fatiantoka ambony indrindra mety hahazo anao, ka tsy misy ny tampoka.
- Manaova varotra na oviana na oviana, na aiza na aiza. Misy 24/7 amin'ny Volatility indices, ao anatin'izany ny faran'ny herinandro sy ny andro tsy fiasana.
Fitadiavana ny fandanjalanjana mety
Manome ny herin'ny fitomboana mitambatra ny Accumulator Options, saingy misy fepetra mila tandremana: midika ho elanelam-bidy tery kokoa ny tahan'ny fitomboana ambony kokoa, ka mampitombo ny risika hikatonan'ny varotrao aloha loatra. Ny zava-dehibe dia ny fitadiavana ny fifangaroana mety eo amin'ny risika sy tombony izay mifanaraka amin'ny fomba fanaovanao varotra.
Zahao ny Accumulator Options ao amin'ny Deriv Trader
Vonona hahita ny fiasan'ny fitomboana mitambatra ve ianao? Ao amin'ny Deriv Trader ihany no ahitana ny Accumulator Options, izay ahafahanao manao varotra azy ireo amin'ny Volatility indices.
Manomboha amin'ny kaonty demo mba hitsapana ny paikadinao amin'ny vola virtoaly mitentina 10.000 USD, na mianara bebe kokoa amin'ireo fampianarana maimaim-poana ao amin'ny Deriv Academy.
Quiz
Inona no mitranga raha mivoaka ivelan'ny elanelana napetrakao ny vidy eo amin'ny Market amin'ny varotra Accumulator options?


