Hiampita mankany amin'ny votoaty fototra
Lesona
5
Derivatives | Vao manomboka

Topimaso momba ireo fananana fototra ao amin'ny Deriv

Faharetany
3
minitra


Ao anatin'ny sehatry ny fanaovana varotra derivatives, dia tena zava-dehibe ho an'ny paikady ara-barotra mahomby ny fahatakarana ireo fananana fototra amin'ny fanaovana varotra derivatives. Hanatevina ireo foto-kevitra nampahafantarina tao amin'ny horonantsary ity lesona ity amin'ny alalan'ny fanomezana fanazavana lalina momba ireo fananana fototra isan-karazany azo anaovana varotra derivatives ao amin'ny Deriv, dia ny sehatra fanaovana varotra Deriv, anisan'izany ireo fananana ara-bola sy ireo Derived Indices miavaka. Hanampy anao handray fanapahan-kevitra ara-barotra voalanjalanja sy mifanaraka amin'ny safidinao ary ny fahazakanao risika ny fahatakarana tsara ireo fananana ireo.
‍

Ireo fananana ara-bola azo anaovana varotra derivatives

Manolotra karazana fananana ara-bola maro be hanaovana varotra derivatives ny Deriv. Manome fahafahana malalaka ho an'ny mpanao varotra hitrandraka ireo fahafahana eo amin'ny tsena manerana ireo sokajim-pananana samihafa izany fahasamihafana izany:

  • Mpivady vola Forex lehibe: Tafiditra ao anatin'izany ireo mpivady vola malaza toy ny EUR/USD, GBP/USD, ary USD/JPY. Matetika dia manome fahafaha-manakalo avo lenta sy Spreads ambany kokoa ny fanaovana varotra derivatives amin'ny mpivady vola Forex lehibe, ka mahatonga azy ireo ho safidy manintona ho an'ny mpanao varotra maro.
    ‍
  • Stock Indices: Ahafahan'ny mpanao varotra mitrandraka ny fivoaran'ny vondrona Stocks iray ny derivatives mifototra amin'ny tondro. Afaka manome fahatakarana momba ny fironan'ny tsena amin'ny ankapobeny ny fanaovana varotra Stock Indices sady mampihena ny risika mifandraika amin'ny fanaovana varotra Stocks tsirairay.
    ‍
  • Vola crypto: Manoloana ny fitomboan'ny vola nomerika, dia manolotra fahafahana hanao varotra derivatives amin'ireo vola crypto malaza toy ny Bitcoin sy Ethereum ny Deriv. Ahafahan'ny mpanao varotra miditra amin'ity tsena miovaova be ity ireo derivatives ireo tsy mila fananana mivantana ilay vola.
    ‍
  • Commodities: Manome lalana fanampiny ho an'ny mpanao varotra hitrandrahana ny fiovaovan'ny vidiny sy hiarovana tena amin'ny fiovaovana ara-toekarena ireo Commodities toy ny volamena, ny solika ary ny vokatra ara-pambolena. Mety hahomby indrindra amin'ny toe-tsena isan-karazany ny derivatives mifototra amin'ny Commodities.
    ‍

Fahatakarana ny Derived Indices

Manolotra Derived Indices miavaka ihany koa ny Deriv, izay maka tahaka ny fihetsiky ny tsena voafaritra manokana ary manome fahafahana miavaka hanaovana varotra:

  1. Synthetic Indices: Maka tahaka ny fepetran'ny tsena tena izy amin'ny alalan'ny mpamokatra isa kisendrasendra azo antoka ireo tondro ireo. Manome fiovaovan'ny vidiny mitohy ho an'ny mpanao varotra izy ireo, ka mahatonga azy ho ilaina amin'ny paikady ara-barotra isan-karazany tsy misy ireo tranga tsy ampoizina hita amin'ny tsena mahazatra.
    ‍
  2. Basket Indices: Manara-maso ny fivoaran'ny fitambaran'ny fananana maromaro ireo tondro ireo, ka manome fahafahana hisitraka ny fivoaran'ny vondrona iray manontolo toy izay hiankina amin'ny fananana tokana. Ohatra, ny Gold Basket dia mandrefy ny sandan'ny volamena miohatra amin'ny fitambarana vola iraisam-pirenena dimy. Manampy amin'ny fitsinjarana ny risika izany fahasamihafana izany ary afaka manatsara ny fahamarinan-toerana eo amin'ny fanaovana varotra.
    ‍
  3. Volatility Indices: Maneho ny fiovaovan'ny vidiny amin'ny ambaratongam-piovaovana voafaritra mialoha ireo tondro ireo ary manome fahafahana ho an'ny mpanao varotra hitrandraka ireo fihetsehana mitovy lenta. Mety hanintona ny Options amin'ireo tondro ireo noho ny firafitry ny risika voalamina sy ny elanelam-piovaovana voafaritra mazava.
    ‍
  4. Jump Indices: Karazany iray amin'ny Volatility Indices ny Jump Indices izay ahitana fiakaran'ny na fidinan'ny vidiny lehibe kokoa noho ny mahazatra miverimberina amin'ny salan'isa indray mandeha isaky ny 20 minitra. Manome fahafahana miavaka ho an'ny mpanao varotra hahazoana tombony amin'ny fihetsehana tampoka eo amin'ny tsena izany toetra mampiavaka azy izany.
    ‍
  5. Crash and Boom Indices: Tena mety ho an'ny mpanao varotra mikatsaka ny hitrandraka ny fiovan'ny vidiny tampoka izy ireo; miakatra miandalana ny Crash Indices alohan'ny hisian'ny fidinana tampoka, raha midina miandalana kosa ny Boom Indices mandra-pisian'ny fiakarana mahery vaika. Manome fahafahana hanao varotra mifototra amin'ny lamina andrasana amin'ny fihetsiky ny tsena ireo tondro ireo.
    ‍
  6. Step Indices: Araka ny anarany, dia mihetsika amin'ny elanelana na dingana voafaritra ny Step Indices, ka mamorona tontolo fanaovana varotra azo vinavinaina. Raikitra ny dingana tsirairay, ka mahatonga azy hanintona na ho an'ny paikady fohy ezaka na ho an'ny paikady lavitra ezaka.
    ‍
  7. Daily Reset Indices: Tafiditra ao anatin'ity sokajy ity ireo tondro maka tahaka ny tsena miakatra na midina mandritra ny fe-potoana 24 ora (ohatra, Bull Market Index sy Bear Market Index). Miverina amin'ny sanda fototra ireo tondro ireo isaky ny fiandohan'ny andro fanaovana varotra tsirairay, ka manome fahafaha-mamantatra tsara kokoa ny fironana isan'andro.
    ‍

Ny maha zava-dehibe ny fahatakarana ireo fananana fototra

Tena ilaina ho an'ny mpanao varotra rehetra maniry ny hahomby amin'ny fanaovana varotra derivatives ao amin'ny Deriv ny fahatakarana matanjaka momba ireo fananana fototra. Manome anao ny fahalalana ilaina handraisana fanapahan-kevitra voalanjalanja sy hampifanarahana amin'ny fomba mahomby ny paikady ara-barotrao ny fahatakarana ny fahasamihafan'ireo fananana ara-bola sy ireo Derived Indices miavaka. Rehefa manohy mianatra momba ny derivatives sy ireo fampiharana azy isan-karazany ianao, dia mijanòna ho vonona hatrany hanatsara ny fahaiza-manaonao mba hahombiazana amin'ny dianao ara-barotra.

Quiz

Nahoana no mahasoa amin'ny fitantanana ny risika ny Basket Indices?

Karazana Derivative inona no ahafahan'ny mpivarotra maminavina ny fironana ankapoben'ny vondrona mpivady Forex na Commodities?

Inona no maha samy hafa ny Jump Indices amin'ny Volatility Indices mahazatra?

Analyse markets with AI-powered insights

Explore TradersView
WhatsApp