
Nahazo vahana hatrany ny fanaovana varotra vola crypto nandritra ny taona maro, ka manolotra fahalalahana, fiarovana ary fahafahana mahasarika ho an'ireo mpanao varotra. Saingy ho an'ireo izay mbola tsy nanandrana izany, dia mety hahatonga azy io ho toa sarotra na tsy takatry ny fahefana ireo hevi-diso. Andao hazavaina ny tena marina ary hofoanana ireo hevi-diso telo mahazatra momba ny fanaovana varotra amin'ny vola crypto!
Hevi-diso 1: Lafo ny fananana vola crypto
Tsy voatery ho izany! Na dia mety hampatahotra aza ny vidin'ny Bitcoin, dia tsy voatery hividy Bitcoin iray manontolo ianao vao afaka manomboka. Afaka manana ampahany bitika amin'izany antsoina hoe satoshis ianao. Ohatra, ao amin'ny Deriv, ny kely indrindra azo anaovana varotra amin'ny Bitcoin dia 0,0001 BTC fotsiny, izay latsaky ny $5 ny sandany amin'izao fotoana izao!
Ankoatra izany, misy fomba hafa hanaovana varotra vola crypto tsy mila renivola goavana mialoha, dia ny fanaovana varotra amin'ny CFDs mampiasa Leverage. Izany dia ahafahanao manokatra toerana ara-barotra lehibe kokoa amin'ny renivola fanombohana kely kokoa, ka mahatonga ny fanaovana varotra vola crypto ho mora idirana kokoa noho izay eritreretinao.
Hevi-diso 2: Mila mianatra tsena vaovao iray manontolo ianao
Mieritreritra ve ianao fa tontolo hafa tanteraka ny vola crypto? Tsy voatery ho izany! Raha efa hainao ny manao varotra Forex, Stocks, na tsena hafa, dia sokajy fananana iray hafa ampiana amin'ny paikadinao fotsiny ny vola crypto.
Mitovitovy ihany ny fomba fiasa: Safidio ny tsenanao, fidio ny karazana varotra ataonao, ary tantano ny risika mety hitranga aminao. Afaka mampiasa vola crypto mihitsy aza ianao hanaovana varotra amin'ny tsena hafa toy ny Forex na Synthetic Indices. Noho izany, tsy mianatra lalao vaovao iray manontolo akory ianao, fa manampy fitaovana hafa amin'ny paikadinao ara-barotra fotsiny.
Hevi-diso 3: Ny fividianana azy ihany no fomba tokana hahazoana vola crypto bebe kokoa
Fomba iray hananana vola crypto fotsiny ny fividianana azy, fa tsy izay ihany no fomba tokana. Rehefa manao varotra amin'ny vola crypto amin'ny tsena toy ny Forex na synthetics ianao ka mahazo Payout, dia mampitombo ny Balance amin'ny vola crypto anananao ianao.
Mitovy amin'ny fahazoana vola fiat ihany izany. Saingy amin'ity indray mitoraka ity, dia amin'ny vola crypto ny tombony azonao. Amin'ny alalan'ny fanaovana varotra mahomby, dia afaka mampitombo ny vola crypto anananao ianao nefa tsy mila mividy fanampiny.
Andramo ny fanaovana varotra vola crypto amin'ny alalan'ny kaonty demo Deriv maimaim-poana
Manova ny fomba fanaovantsika varotra ny vola crypto, ka manolotra fahafahana vaovao mihoatra ireo vola fiat mahazatra. Amin'ny fahafantarana ny tena marina ao ambadik'ireo hevi-diso ireo, dia afaka mikaroka amim-pahatokiana ny fanaovana varotra vola crypto amin'ny fomba fijery vaovao ianao.
Jereo ireo karazana vola crypto rehetra azo anaovana varotra ao amin'ny Deriv, ary manokafa kaonty fanaovana varotra maimaim-poana hanaovana fanazarana anio!
Quiz
Inona no fiantsoana ny venty kely indrindra amin'ny Bitcoin?


