Ny fototry ny fanaovana varotra amin'ny Volatility Indices
Araka ny nodinihintsika tamin'ny lesona farany, dia fitaovana ara-bola miavaka natao hanahaka ny fihetsiky ny fiovaovan'ny tsena tena izy ny Volatility indices. Tanjon'ity lesona ity ny hanome anao fahatakarana tsara kokoa momba ireo tondro ireo amin'ny alalan'ny fijerena lafiny fanampiny izay mahasarika ny mpanao varotra aminy.
Ny fomba fiasan'ny Volatility Indices
Amboarina amin'ny alalan'ny algoritma avo lenta izay maka tahaka ny fiovaovan'ny vidiny ny Volatility Index tsirairay. Mpamorona isa kisendrasendra voaaro amin'ny kriptografia no mamokatra ireo fitaovana ireo. Tsy tahaka ny tsena mahazatra, tsy miankina amin'ny anton-javatra ivelany amin'ny tsena ireo tondro ireo, izany hoe miasa tsy miankina amin'ny vaovao na tranga ara-toekarena izy ireo. Tsy vitan'ny hoe mampihena ny fiantraikan'ny hery avy any ivelany io fomba fiasa io fa mamela ihany koa hisian'ny fihetsiky ny vidiny tsy miovaova, ka manome tontolo fanaovana varotra azo vinavinaina kokoa ho an'ny mpanao varotra. Azo anaovana varotra 24/7 ny Volatility indices, anisan'izany ny faran'ny herinandro sy ny andro tsy fiasana, ka ahafahana miditra amin'ny tsena tsy tapaka andro aman'alina.
Fifehezana ny fihetseham-po sy fifehezan-tena eo amin'ny fanaovana varotra
Matetika dia mety hitondra fiovaovan'ny fihetseham-po mahery vaika ny fanaovana varotra, ary tena marina indrindra izany ho an'ny fitaovana mora miovaova. Na izany aza, mampirisika fomba fiasa voafehy kokoa ny Volatility Indices satria afaka mampiasa ireo fitaovana ireo ny mpanao varotra tsy misy tahotra ny dona avy any ivelany izay mazàna miteraka korontana amin'ny tsena mahazatra. Manampy amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara kokoa ary mety hitondra vokatra tsara kokoa amin'ny fanaovana varotra ny fampiofanana ny tenanao hamaly amin'ny fomba mirindra, fa tsy entin'ny fihetseham-po.
Paikady fanaovana varotra azo ampifanarahana
Noho ny Volatility Indices manolotra ambaratongam-piovaovana isan-karazany — manomboka amin'ny 10 % ka hatramin'ny 250 % — dia manana fahafahana hampifanaraka ny paikadiny arakaraka ny fetran'ny risika zakany avy ny mpanao varotra. Mety hanome fahafahana hahazo tombony lehibe ny fiovaovana avo, saingy miaraka amin'ny risika ambony kokoa koa izany. Amin'ny maha-mpanao varotra anao, manana fahalalahana handray paikady manomboka amin'ny mailo ka hatramin'ny sahisahy ianao, izay ahafahanao miasa ao anatin'ny faritra mampahazo aina anao sady manitatra ny fetran'ny fanaovanao varotra ihany koa.

Ny hoavin'ny fanaovana varotra amin'ny Volatility Indices
Arakaraka ny fivoaran'ny teknolojia fanaovana varotra, dia vao mainka tsara toerana ny Volatility Indices mba hisitraka ny fandrosoana eo amin'ny fintech. Manondro hoavy mamirapiratra ho an'ny mpanao varotra amin'ity sehatra ity ireo fanavaozana toy ny algoritma entin'ny AI ho an'ny fanapahan-kevitra momba ny varotra sy ny maodely machine learning maminavina ny fiovaovan'ny vidiny. Manampy ny mpanao varotra hanararaotra fahafahana vaovao sy hampitombo ny mety hahazoana tombony amin'ny fanaovany varotra ny fanarahana akaiky ireo fironana ireo.
Quiz
Inona no tombontsoa lehibe azo avy amin'ny fanaovana varotra Volatility Indices raha oharina amin'ireo fananana amin'ny tsena mahazatra?
Ahoana no ahafahan'ny fanaovana varotra amin'ny Volatility Indices manampy amin'ny fampivelarana ny fifehezan-tena ara-pihetseham-po?
Inona no singa tokony hodinihin'ny mpivarotra rehefa mampifanaraka ny paikadiny amin'ny Volatility Indices?


