Famaritana ny haben'ny position
Rehefa mirotsaka amin'ny fanaovana varotra Volatility Indices ianao, dia lasa singa manan-danja ao anatin'ny paikadinao hitantanana ny risika ny fahatakarana ny famaritana ny haben'ny position. Ny famaritana ny haben'ny position no mametra ny ampahany amin'ny renivola fanaovanao varotra izay atokanao ho an'ny varotra tsirairay, ka miaro anao amin'ny fatiantoka tafahoatra sady ahafahanao manararaotra ireo fahafahana misy eny amin'ny tsena. Amin'ny alalan'ny fitantanana amim-pitandremana ny habetsaky ny renivola ampiasainao, dia afaka miatrika ny fiovaovana voajanahary amin'ireo indices ireo ianao nefa tsy manao vy very ny renivolanao manontolo.
Ny maha zava-dehibe ny famaritana ny haben'ny position
Mety hitondra tombony azo antenaina sy risika voajanahary miaraka ny fiovaovan'ny vidiny. Manampy anao handanjalanja ireo anton-javatra ireo ny famaritana ny haben'ny position amin'ny alalan'ny fifehezana ny firotsahanao eny amin'ny tsena. Rehefa tsinjarainao amin'ny varotra maromaro ny renivolanao, dia mampihena ny risika hisy fiantraikany lehibe amin'ny kaontinao manontolo ny varotra iray mampatiantoka. Ohatra, raha sendra fatiantoka amin'ny varotra iray ianao, dia mbola ahafahanao mandray anjara eny amin'ny tsena ny renivola ambiny amin'ireo varotra hafa, ka manalefaka ny mety hisian'ny fatiantoka goavana.
Rehefa mandinika ireo Volatility Indices samihafa ianao, dia tena zava-dehibe ny mahafantatra fa mampiditra anao amin'ny endrika risika tena samy hafa ny fanaovana varotra amin'ny haben'ny position mitovy ao amin'ny Volatility 10 sy ny Volatility 250. Tsy vitan'ny hoe maneho fahafahana lehibe kokoa hahazoana tamberina ambony kokoa ny fiovaovana mahery vaika kokoa, fa mampitombo ihany koa ny mety hisian'ny fatiantoka lehibe. Noho izany, hanampy anao hikendry ny tamberina irina sady hijanona ao anatin'ny fetran'ny risika azo ekena ny fampifanarahana ny haben'ny position amin'ny fiovaovan'ilay index anaovanao varotra.
Paikady famaritana ny haben'ny position
Tsy misy fomba tokana hamaritana ny haben'ny position; na izany aza, misy fomba maromaro afaka mitarika anao arakaraka ny fomba fanaovanao varotra manokana sy ny fahazakanao risika:
- Sanda raikitra amin'ny dolara: Manokàna sanda voafaritra amin'ny dolara ho fetran'ny risika isaky ny varotra, toy ny $10. Mitazona risika tsy miovaova amin'ny varotra maromaro ity fomba ity, ka afaka manampy amin'ny fiarovana ny renivolanao manontolo.
- Isan-jaton'ny kaonty: Mamarita isan-jato amin'ny fitambaran'ny Balance ao amin'ny kaontinao hatao fetran'ny risika isaky ny varotra. Ohatra, raha $2.000 ny Balance ao amin'ny kaontinao ary mampiasa fetran-drisika 1 % ianao, dia hiatrika risika $20 ny varotra tsirairay. Rehefa mitombo ny kaontinao, dia miova araka izany koa io sanda io. Mampifanaraka ny risika atrehanao amin'ny vola eo am-pelatananao ity fomba ity, ary tena ilaina indrindra rehefa manao varotra fananana miovaova mahery vaika toy ny Volatility 250 Index.
- Famaritana ny habe mifototra amin'ny fiovaovana amin'ny alalan'ny ATR: Mandrefy ny salan'isan'ny fiovaovan'ny vidin'ny fananana iray mandritra ny fe-potoana voafidy ny tondro Average True Range (ATR). Feran'ny mpanao varotra sasany ho venty ATR iray isaky ny varotra ny risika raisiny. Ohatra, raha $8,5 ny ATR mandritra ny 14 andro ho an'ny Volatility 25, dia io sanda io no hapetrakao ho fetran'ny risika. Mitazona ny risika atrehanao hifandanja amin'ny fiovaovana mahazatra isan'andro ity fomba ity, ka ahafahanao mametraka ambaratonga Take Profit (TP) sy Stop Loss (SL) mifototra amin'ny fahalalana tsara kokoa arakaraka ny toe-javatra eny amin'ny tsena.
Amin'ny fampiasana ireo paikady ireo, dia afaka mamorona rafitra matanjaka hamaritana ny haben'ny position izay mifampifanaraka amin'ny fiovaovan'ny tsena sy ny filanao manokana amin'ny varotra ianao.
Famaranana
Ho famaranana, tena ilaina amin'ny fanaovana varotra maharitra ao amin'ny Volatility Indices ny fifehezana ny famaritana ny haben'ny position. Amin'ny fahatakarana ireo risika voajanahary miaraka amin'ireo fananana ireo sy ny fampiharana paikady mahomby hamaritana ny haben'ny position, dia afaka miaro ny renivolanao ianao sady mampitombo ny fahafahana hahazo tombony. Rehefa mandinika ireo paikady nodinihina ato amin'ity lesona ity ianao, dia tsarovy fa tsy misy fomba tokana mety amin'ny rehetra. Hanome hery anao hanao varotra amim-pahatokiana bebe kokoa ny fampifanarahana ny fomba famaritanao ny haben'ny position amin'ny fahazakanao risika, ny fomba fanaovanao varotra, ary ny toe-javatra eny amin'ny tsena.
Ankehitriny, dia ampy fitaovana tsara kokoa ianao hiatrehana ny tontolon'ny Volatility Indices amim-pahamendrehana sy araka ny paikady maty paika.
Quiz
Inona no tanjona fototry ny position sizing amin'ny varotra?
Inona ny fomba famaritana ny haben'ny fifanakalozana izay miova arakaraka ny fiovaovan'ny Balance ao amin'ny kaonty?
Inona no refesin'ny tondro Average True Range (ATR)?


