Singa
Hojerentsika anio ireo singa isan-karazany misy ao amin'ny sehatra Deriv MT5 sehatra Deriv MT5 sy ny fomba ahafahan'izy ireo manatsara be ny famakafakana ara-teknika sy ny paikady fanaovana varotra ataonao famakafakana ara-teknika. Hanome hery anao handray fanapahan-kevitra tsara kokoa momba ny varotra ny fahatakarana ny fomba fampiasana ireo fitaovana ireo amim-pahombiazana.
Fampidirana momba ireo singa amin'ny tabilao
Fitaovana ara-kisary azonao apetraka eo amin'ny tabilaonao ireo singa ao amin'ny Deriv MT5 mba hanamarihana ireo haavon'ny vidiny manan-danja, hamantarana ireo fironana, ary hanisy fanamarihana amin'ireo fampahalalana tena ilaina. Ahafahan'ny mpanao varotra mandika an-tsary ny angon-drakitry ny tsena izy ireo sady manatsara ny paikadiny amin'ny varotra amin'ny alalan'ny fanomezana tontolon-kevitra momba ny fiovaovan'ny vidiny.
Mba hidirana amin'ireo singa ireo dia mandehana ao amin'ny «Insert» ao amin'ny tolotra ka ataovy eo ambonin'ny «Objects» ny kitondro. Andao hifantohantsika ny sasany amin'ireo fitaovana be mpampiasa indrindra misy ao.
Ireo singa manan-danja amin'ny tabilao
- Tsipika:
- Tsipika mitsivalana: Ampiasaina hanamarihana ireo haavon'ny vidiny manan-danja toy ny fanohanana sy ny fanoherana. Manampy amin'ny famantarana ireo faritra mety hisian'ny fihodinana na ireo teboka fitambaran'ny vidiny izy ireo.
- Tsipika mitsangana: Ilaina amin'ny fanamarihana elanelam-potoana voafaritra, ka manampy anao hamakafaka ny fiovaovan'ny vidiny mifandraika amin'ireo daty na zava-mitranga manan-danja.
- Tsipika fironana: Mampitohy ireo teboky ny vidiny manan-danja (ambony sy ambany) mba hanehoana ny lalan'ny fironan'ny tsena sy ny tanjany, ka manome fahatakarana raha mitohy na mivadika ny fironana iray.
- Tsipika mitsivalana: Ampiasaina hanamarihana ireo haavon'ny vidiny manan-danja toy ny fanohanana sy ny fanoherana. Manampy amin'ny famantarana ireo faritra mety hisian'ny fihodinana na ireo teboka fitambaran'ny vidiny izy ireo.
- Fantsona:
- Fantsona mitovy elanelana: Ahitana tsipika roa mirazotra izay mamaritra ny fetra ambony sy ambany amin'ny fiovaovan'ny vidiny. Manampy amin'ny fahitana an-tsary ireo fironana sy ireo haavon'ny fanohanana na fanoherana izy ireo, ka manamora ny famantarana ireo teboka mety hisian'ny fivoahana na fihodinana.
- Andrews' Pitchfork: Ahitana tsipika telo mirazotra avy amin'ny haavo ambony na ambany manan-danja iray. Manondro ny fironana fototra ny tsipika afovoany, raha manampy amin'ny famantarana ny fanohanana sy ny fanoherana kosa ireo tsipika ivelany.
- Fantsona mitovy elanelana: Ahitana tsipika roa mirazotra izay mamaritra ny fetra ambony sy ambany amin'ny fiovaovan'ny vidiny. Manampy amin'ny fahitana an-tsary ireo fironana sy ireo haavon'ny fanohanana na fanoherana izy ireo, ka manamora ny famantarana ireo teboka mety hisian'ny fivoahana na fihodinana.
- Fitaovana Gann:
- Tsipika Gann: Tsipika fironana 45 degre maneho ny fifandanjana eo amin'ny fiovan'ny vidiny sy ny fotoana. Manampy ny mpanao varotra hanombana izy io raha miakatra na midina ny tsena arakaraka ny toerana misy ny vidiny miohatra amin'ny Tsipika Gann.
- Gann Fan: Mamorona tsipika fironana maromaro miparitaka avy amin'ny teboka tokana amin'ny zoro voafaritra, izay ilaina amin'ny fanombanana ny tanjaky ny fironana sy ireo fihodinana mety hitranga.
- Tsipika Gann: Tsipika fironana 45 degre maneho ny fifandanjana eo amin'ny fiovan'ny vidiny sy ny fotoana. Manampy ny mpanao varotra hanombana izy io raha miakatra na midina ny tsena arakaraka ny toerana misy ny vidiny miohatra amin'ny Tsipika Gann.
- Fitaovana Fibonacci:
- Fitaovana Fibonacci Retracement: Manoritra tsipika mitsivalana eo amin'ireo haavo Fibonacci manan-danja mba hamantarana ireo teboka mety hisian'ny fihodinana eo amin'ny tsena. Miasa ho toy ny fanohanana na fanoherana ireo haavo ireo mifototra amin'ny fiovaovan'ny vidiny teo aloha.
- Fantsona Fibonacci: Mampiasa tsipika mirazotra mifototra amin'ny taha Fibonacci mba hamakafakana ny lalan'ny fironana sy haminavinana ireo fiovaovan'ny tsena mety hitranga, ka manome fahatakarana momba ireo teboka fidirana sy fivoahana.
- Fitaovana Fibonacci Retracement: Manoritra tsipika mitsivalana eo amin'ireo haavo Fibonacci manan-danja mba hamantarana ireo teboka mety hisian'ny fihodinana eo amin'ny tsena. Miasa ho toy ny fanohanana na fanoherana ireo haavo ireo mifototra amin'ny fiovaovan'ny vidiny teo aloha.
- Fitaovana Elliott Wave:
- Fihetsehana mahery vaika manana lalana mazava sady ahitana onja dimy manaraka ny fironana fototra ny Impulse Waves, raha mifanohitra amin'ny fironana kosa no mitranga ny Corrective Waves izay mazàna ahitana onja telo, ka ahafahana mamakafaka ny tsingerin'ny tsena.

- Endrika, Zana-tsipika, ary Singa ara-kisary:
- Mampiasà endrika tsotra sy zana-tsipika hanatsarana ny famakafakana tabilao. Afaka manampy amin'ny fanasongadinana faritra na lamina voafaritra izy ireo, ka manamora ny fahitana an-tsary ireo fironana sy ireo fiovaovan'ny vidiny manan-danja.

Fanovana sy fampifanarahana ireo singa
Rehefa tafapetrakao eo amin'ny tabilaonao ireo singa dia azonao ovaina mora foana izy ireo:
- Mba hamindrana na hanitsiana singa iray dia tsindrio eo aminy hisafidianana azy. Hahita teboka fanaraha-maso hipoitra ianao, izay ahafahanao mitarika azy ho eo amin'ny toerana tianao.
- Mba hamafana singa iray dia tsindrio ny bokotra havanana amin'ny totozy, ary safidio ny «Delete» na ampiasao ny kitendry Backspace. Raha sendra voafafanao tsy nahy ny singa iray dia azonao foanana izany amin'ny alalan'ny fanindriana ny bokotra havanana sy fisafidianana ny «Undo Delete» na fanindriana ny Ctrl+Z.
Azonao ampifanarahina amin'izay tianao koa ny endrik'ireo singa amin'ny alalan'ny fanindriana ny bokotra havanana eo amin'ilay singa voafantina sy fisafidianana ny «Properties». Manokatra efajoro fifanakalozan-dresaka misy safidy ahafahana manao ireto manaraka ireto izany:
- Manova ny lokon'ny tsipika, ny sakany, ary ny endriny ao amin'ny vakizoro Common.
- Manova ireo haavo, endrika, ary loko ho an'ny fitaovana Fibonacci sy Gann ao amin'ny vakizoro Levels.
- Manitsy amin'ny antsipiriany ny firafitry ny toerana sy ny endrika ivelany ao amin'ny vakizoro Parameters.
- Misafidy izay elanelam-potoana hampisehoana ireo singanao ao amin'ny vakizoro Visualisation.
Famaranana
Amin'ny alalan'ny fampiasana ireo singa isan-karazany misy ao amin'ny boaty fitaovan'ny Deriv MT5 dia afaka mahazo tombony azo tsapain-tanana amin'ny famakafakana tabilao ataony ny mpanao varotra. Ahafahanao manatsara hatrany ny paikadinao sy mampiakatra ny fahombiazanao amin'ny varotra ny fahatakarana ny fomba fanisiana fanamarihana amin'ny fiovaovan'ny vidiny, ny fanamarihana ireo fironana, ary ny fahitana an-tsary ireo angon-drakitra manan-danja.
Amporisihinay ianao hizatra hampiasa ireo fitaovana ireo ao amin'ny kaonty fanazarana Deriv MT5 mba hahazatra anao tsara ny fiasan'izy ireo. Ao amin'ny lesona manaraka dia hiditra lalina amin'ireo tondro ao amin'ny Deriv MT5 sy ny fomba fampiharana azy ireo hanaovana famakafakana tsena voavolavola tsara kokoa isika. Mirary varotra mahomby!
Quiz
Inona ny anjara asa lehibe indrindra sahanin'ireo singa eo amin'ny tabilao ao amin'ny Deriv MT5?
Inona no fitaovana afaka manampy anao hamantatra ireo teboka mety hisian'ny fivadihan-dalana mifototra amin'ny haavon'ny vidiny teo aloha?
Ahoana no ahafahanao manamboatra ny endrik'ireo singa eo amin'ny tabilao ao amin'ny Deriv MT5?