Hiampita mankany amin'ny votoaty fototra
Lesona
10
Deriv MT5 | Vao manomboka

Manomboha manao varotra amin'ny Deriv MT5: Boatim-pitaovana fizarana 2

Faharetany
12
minitra

Tongasoa indray ato amin'ny fampianarantsika momba ny Deriv MT5! Ato amin'ity lesona ity dia hanohy ny fandinihana ny boatim-pitaovana isika amin'ny alalan'ny fijerena ireo vakizoro fanampiny sy ny asany avy, izay tena ilaina amin'ny fitantanana sy fanaraha-maso ary famerenana mijery ireo hetsika ara-barotra ataonao. Hanampy anao handray fanapahan-kevitra ara-barotra voalanjalanja tsara ny fahatakarana ireo endri-javatra ireo.

‍

Vakizoro Exposure

Manome famintinana ny toetry ny fananana ho an'ireo toerana misokatra rehetra amin'ny paikadim-barotra ataonao ny Vakizoro Exposure. Tafiditra ao anatin'ireo antsipiriany lehibe ireto manaraka ireto:

  • Fananana: Mampiseho ny anaran'ny vola na ny fitaovam-barotra.
    ‍
  • Hadiry: Manondro ny fitambaran'ny hadirin'ireo toerana misy anao amin'ny venty, ao anatin'izany ny fiantraikan'ny Leverage.
    ‍
  • Taha: Maneho ny taham-panakalozan'ilay fitaovam-barotra mitaha amin'ny vola fametrahana ao amin'ny kaontinao.
    ‍
  • USD: Mampiseho ny vola nolaniana amin'ny vola fametrahana ao amin'ny kaontinao, tsy tafiditra ao ny Leverage.
    ‍
  • Kisary: Manome fanehoana an-tsary ireo toerana misy anao amin'ny vola fametrahana, ka tsanganana manga no manondro ny toerana long ary tsanganana mena no manondro ny toerana short.
    ‍

Vakizoro Tantara

Manaraka izany dia hitantsika ny Vakizoro Tantara, izay manara-maso ireo hetsika ara-barotra ataonao. Mirakitra ireo toerana mikatona rehetra sy ireo baiko nofoanana ary izay rehetra fametraham-bola na fisintonam-bola ity vakizoro ity. Azonao amboarina ny fisehoany amin'ny fisafidianana fe-potoana voafaritra na amin'ny fampiharana sivana samihafa mba hahazoana topimaso amin'ny antsipiriany momba ny tantaram-barotrao.

Ankoatra izany, azonao alaina ny tatitry ny kaontinao ary tehirizina ho rakitra HTML na XML mba hodinihina tsy mila aterineto. Manampy anao hanara-maso ny zava-bitanao sy hanombana ireo paikadim-barotrao rehefa mandeha ny fotoana ity endri-javatra ity.
‍

Vakizoro Vaovao

Manome vaovao ara-bola manan-danja sy fanavaozam-baovao momba ny tsena avy amin'ny loharano samihafa ny Vakizoro Vaovao. Zava-dehibe tokoa ny fahafantarana hatrany ireo zava-mitranga eo amin'ny tsena sy ny fivoarana ara-toekarena satria mety hisy fiantraikany lehibe amin'ny paikadim-barotrao sy ny fanapahan-kevitrao ireo anton-javatra ireo.
‍

Vakizoro Boaty mailaka

Ao amin'ny Vakizoro Boaty mailaka no hahitanao ireo hafatra sy fampandrenesana manan-danja avy amin'ny ekipan'ny Deriv, ao anatin'izany ireo fampahafantarana sy fanavaozana mifandraika amin'ny kaontim-barotrao. Miantoka ny fahafantaranao izay fiovana rehetra mety hisy fiantraikany amin'ny traikefam-barotrao ny fijerena matetika ny boaty mailakao.
‍

Vakizoro Tetiandro

Ahitana tetiandro ara-toekarena feno izay mampiseho ireo hetsika ho avy sy famoahana angon-drakitra ny Vakizoro Tetiandro. Ahitana fampahalalana toy ny daty, ny ora, ny firenena, ary ny fiantraikany andrasana eo amin'ny tsena ny hetsika tsirairay, ka mahatonga azy io ho fitaovana sarobidy tokoa amin'ny fanaovana famakafakana fototra sy fiomanana amin'ny fihetsehan'ny tsena.
‍

Vakizoro Fampandrenesana

Mamela anao hametraka fampahafantarana ho an'ny fepetram-barotra voafaritra na zava-mitranga eo amin'ny tsena ny Vakizoro Fampandrenesana. Afaka mamorona fampandrenesana ianao amin'ny fanaovana kitika havanana eo amin'ny vakizoro Fampandrenesana sy fisafidianana ny «Mamorona». Manampy anao hahalala hatrany ireo haavon'ny vidy manan-danja na ny fiovan'ny tsena ity endri-javatra ity ka tsy voatery hanara-maso tsy tapaka ny sehatra ianao.

Rehefa mamorona fampandrenesana ianao dia faritanao ireo fepetra mampandeha azy, toy ny vidy bid na ask na ny hadirim-barotra. Ankoatra izany, azonao safidiana ny fomba tianao handraisana ireo fampandrenesana, na amin'ny alalan'ny feo fampahafantarana izany, na mailaka, na fampandrenesana amin'ny finday.

Ohatra: Raha manara-maso mpivady vola iray manokana ianao ka te hampandrenesina rehefa mahatratra haavo voafaritra ny vidiny, dia afaka mametraka fampandrenesana ianao mba hiantohana fa tsy ho diso fahafahana manao varotra manan-danja mihitsy.
‍

Famaranana

Ato amin'ity lesona ity dia nodinihintsika ireo vakizoro samihafa ao anatin'ny boatim-pitaovan'ny Deriv MT5, ao anatin'izany ny vakizoro Exposure, Tantara, Vaovao, Boaty mailaka, Tetiandro, ary Fampandrenesana. Tena ilaina amin'ny fitantanana sy fanaraha-maso mahomby ireo hetsika ara-barotra ataonao ny fahatakarana ireo endri-javatra ireo.

Amin'ny alalan'izany fahalalana izany dia ho ampy fitaovana tsara ianao hampiasana amim-pahatokiana ny sehatra Deriv MT5. Ao amin'ny lesona manaraka dia hitarika anao amin'ireo dingana azo ampiharina amin'ny fanokafana varotra ao amin'ny Deriv MT5 izahay, mba hiantohana fa vonona tsara hanatanteraka ny paikadinao ianao. Mazotoa manao varotra!

‍

Quiz

Inona ny fampahalalana fintinin'ny Exposure Tab?

Inona ny tanjon'ny vakizoro History ao amin'ny Deriv MT5?

Ahoana no ahafahanao mametraka fampandrenesana ao amin'ny Deriv MT5?

Analyse markets with AI-powered insights

Explore TradersView
WhatsApp